Antananarivo (R'Imbosa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
REF (x2) :  
Antananarivo zareo,
Fonenana, tsy mankaleho
Fa tononkira.serasera.org spazxdu tsara sy soa lalandava
Mampihaiky sy mavaky vava x2

Izay monina eto dia tamana
Fa toerana sarotra ialana
Izahay fahiny sondriana
Ka raikimpitia sy variana x2

Ny lema tsy mitatatra
Tsinjovina atoandro ka fatratra
Niorina ilay vailava
Mandraoka ny sento hisava

Ny ranon'Anosy malaza x2
Ny dobon'ilay Tsimbazaza
Farihin'ilay Mandroseza
Madio mangamanga mateza

Ilay Ambohipotsy ao Atsimo
Fonenan'Iarivo mirimo
Avaratra aty Ankadifotsy
Toerana mandrotsirotsy

Ilay Ambanidia ao Antsinanana
Ambodin'Isotry ao Andrefana
Ireny sy ny hiapa sy ny atsetra oh
Honenan'ny soa pprjk tdrqphv tsy voafetra

Veloma tsy ho afaka antsaina
Iarivo izay maminiaina
Tsy ho adino na oviana na oviana
Fa tany malala fodiana

(Naka RABEMANANTSOA)

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : R'Imbosa
Vangy : 23
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : andyr
Daty : 26/10/2026 15:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0585