Adim-piainana (RAVELO JEAN BAPTISTE)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao maneno akoho io Rangahy fa miomankomana
aiza indray anio no hahita asa hivelomana
jereo izato maso tena mbola didy
mbola jembijemby misaina ny adidy
mivavaka mangina hahita izay atao
mba hivimbinana ny iray kilao


Mitebiteby ery izany hody maina
ny any an-trano mantsy efa manantena
ireo ankizy kely tsy mahalala ny tsy misy
Noho izy ireo tena mbola ankizy
mifalifaly ery mijery izato rainy
ka velon-kira hoe iny i dadanay

Fiv:

Zanahary ô ! mba mitahia
ô! ry razako ô meteza manampia
omeo hery anio tsy ho resy an’ady
eny mantsy re ny fiainana ady tena ady (2 fois)



Vao maneno akoho io Rangahy fa miomankomana
aiza indray anio no ahita asa hivelomana....
....
mba hivimbinana ny 1 kilao (3 fois)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RAVELO JEAN BAPTISTE
Vangy : 6089
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lemenakely
Daty : 24/05/2007 00:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0865