Ianao jesoa no namonjy ahy (Rantsana Fanantenana Ambondrona Firaisana)

https://tononkira.serasera.org/hira/rantsana-fanantenana-ambondrona-firaisana/ianao-jesoa-no-namonjy-ahy-1

Jesoa no namonjy ahy

He tsaroako androany ianao ry tompo
Ilay nitomany sy ory am-po
Noratraina ianao novonoina ihany koa
Noho ny otako izany jesoa

Ilay dinitrao toa nivadika ra
Tsy nety nijanona nipatraka
Ilay lefon’izay nanombohana anao
Azo sary ato an-tsaiko izy izao

Tsy afaka ny hamaly ireo nefa aho,
Tsy hazaka jaly toy ny anao
Ny tononkira.serasera.orghany azo atao dia ny manome fo
Tena sy fanahy koa
Mba ho lapa anjakanao jesoa

Ireo latsa sy eso fanambaniana
Ireo kapoka tsy maintsy niafiana
Indro fa mitamberina tadidy indray
Hay ve noho ny fitiavanao ahy

Ilay fahoriana niaretanao
Ny hazofijaliana nihombohanao
Izay marik’izay no ahafantarako fa
Ianao jesoa no namonjy ahy

A/C: Niaina Harijaona ANDRIAMORANIAINA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Rantsana Fanantenana Ambondrona Firaisana
Mpamaky : 376
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mafyloha3
Tamin'ny : 05/07/2019 12:08:21
ID : 11872

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo