Ny Fitiavana (Arka Zor Ama alias Ramarozaka)

Ny fitiavana tena fitiavana ,tsy aterak'izay fahendrena
Fa matetika dia toa finiavana,ka tsy azo mba teriterena
Jereo ary ange azafady ,hita maso fa tsy mba tantara
Ireo olona izay manambady ,dia milaza ny azy ho tsara

K'ireo mpanaratsy,mampihomehy,ny anay haratsiana mitombo tarehy...hahahaa,iiii!!! (in-2)

Fotsy efa hatsatra loatra ,miendri-bazaha hono izany
Mainka fa dia tafahoatra,mateza jerena hatrany
Fonentana na keliray,santionany nomen-janahary
Matavy koa anankiray ,mpanjakan'ny zavaboahary

K'ireo mpanaratsy mampihomehy, ny anay haratsiana mitombo tarehy ,hahahaa,iiii!!!(in-2)

Ka aoka ianao tsy hilaza, fa ranona diso fifidy
Na hoe ka manao sain-jaza, satria ny fo no mandidy
Ireto mifidy ny "oui",ireto mifidy ny tsia
ITsiky dia ampyzy ireo samy tia tanindrazana hoy ny olona hendry mitazana

K'ireo mpanaratsy, mampihomehy, ny anay haratsiana mitombo tarehy ,hahaha,iiii!!!!(in-2)

Aza miady ,mifanaikera,hoy ny ankizy f'izaho dokotera
Aza miady mifandefera,hoy izahay dia ny eny hidera
PĂ´litikan'ny olona hendry ,vazaha mody miady raha miasa
Rehefa azo ny zava-kinendry,hadino daholo ny lasa

K'ireo mpanaratsy ,mampihomehy ,ny antsika haratsiana mitombo tarehy ,hahahaa, iiii!!!(in-2)

Azo ny fahaleovantena, samy faly ny tia tanindrazana
Izay mpamadika sisa no mena ,nivontirika mihidy vazana
Azo ny fahaleovantena, samy faly ny tia tanindrazana
Izay mpamadika sisa no mena ,nivontirika mihidy vazana

K'ireo mpanaratsy ,mampihomehy, ny antsika haratsiana mitombo tarehy, hahahaa, iiii!!!(in-2)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Arka Zor Ama alias Ramarozaka
Mpamaky : 631
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : dahfara
Tamin'ny : 02/04/2016 21:12:27
ID : 8221

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo