Mi sy La (Rah-Ckiky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy tantiko ny mahita anao mitsôdatsôda be amin’iny e !! hhuhm!
Tsy tantiko ny mieritreritra fa ianao io mandrimbaniny ahy
Tsy zakako ny mandinika fa ianao no haron’ny tanany ee !!
Fa tiako raha mba izaho irery ihany no manao an’izany
Tsy tiako ny fitia mifangaro matoa izaho saro-piaro aminao
Ka n’inon’inona mety ho fahalemeko
Dia izaho irery ihany ny ahy no reveko !!! (ny hiaraka aminao)
Ka n’iza tady handrombaka fitia ka mitady hiray vilia aminahy
Dia tsy afa-tsy izaho irery ihany no milalao sy mandeha ihany io e !!

Ref: Tiako raha mba ny saokako irery ihany no nosonavin’ny tananao e/
Reviko raha mba ny vavako irery ihany no rarahan’ny hivinao
Satriko raha mba ny tavako irery ihany no jerejeren’ny masonao e !!
Miangavy, miangavy, miangavy, miangavy aho
Miangavy aho mba ho izaho irery ihany !!!
Miangavy aho mba ho izaho irery ihany !!!

Fa ny ahy izao anie ity guitarako ity dia izaho irery ihany no mitendry azy
Izaho izao manaboatra setroka dia izaho irery ihany no mievoka
Fa ny ahy izao ny masoandroko dia iray ka izaho irery ihany no mahare mamay
Sanatria tsy hoe izaho no tonga lafatra fa tsy maintsy manafatrafatra e!
Fa raha fitia, gafigafy, izaho anie tsy te hihafihafy
Izany tsy hoe ditra na fanerena fa tamim-boalohany no nifanekena io e !!
Fa raha fitia mampijaly izaho anie hoa tsy voajaly! (t@ taratasy tokana e!)
Fa mba toka-po toy ny siny ka tsy mahalala afa-tsy rano io ee !!

Ref: Tiako raha mba ny saokako irery ihany no nosonavin’ny tananao e/
………………………….

Ref: Tiako raha mba ny saokako irery ihany no nosonavin’ny tananao e/
Reviko raha mba ny vavako irery ihany no rarahan’ny hivinao
Satriko raha mba ny tavako irery ihany no banjinin’ny masonao
Avelao, avelao, avelao, avelao aho
Avelao mba ho izaho irery ihany!!!! (tsy mifangaroaro io!)
Izaho irery ihany dia izaho irery ihany!!! (tsisy afa-tsy izaho io!)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rah-Ckiky
Vangy : 8640
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 28/04/2010 21:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.157