28 août 2011 (Rah-Ckiky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
28 août ny gasy dia nana-nanjo
Fa maty ny ministra Nadine tany Soanierana Ivongo
Nitomany ireo madinika nahatsiaro ny asa sosialy
Fananon’ilay ministra, miasa antoandro sy aligny

Mandria am-piadanana, mbola ito izahay namanao
Hanohy ireo zava-bita marobe tsy voatanisa

28 août 2011 spectacle ao amin’ny Soavita
Vao naheno izany izaho dia dôzy be hoe
Efa ao ilay nofo mangatsiaka
Nody tamin-kalahelo ireo mpankafy, nody tamin-tsento
Toa tsy mino hoe lasa ve lay ministra teo

Ka ity hirako ity ho atolotro anao, mama Nadine
Mba ho fahatsiarovana tsy mety maty amin’ireo vahoaka tsy nambinina
Ireo soa vitanao hatrany ambanivolo ka hatrany amin’ny ville
Velona ao am-ponay mandrakizay na fahavaratra na ririnina

Ilay tany izay niadivanao nalain’ny mpanambola
Rehefa tsy teo ianao, maman
Ireo vahoaka nialoka aminao
Nataony ohatran’ny kiraro f’efa maty hono ilay mpiaro
Vao lasa ianao, maro ny olana nifangaroharo
Nefa ny hafatra navelanao : mifankatiava, aza miala amin’ny maro.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rah-Ckiky
Vangy : 2857
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/03/2015 15:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3194