Lazaiko (Parh-Shon & Voary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Androany aloh, tsy maintsy ho lazaiko anao
Izay ato am-poko fa vahobahotra aho taloha
Androany aloha, tsy maintsy ambarako aminao
Iza nokoboniko rehetra

Satria natahotra aho taloha
Raha nanambara ny ato am-po
Ankehitriny lazaiko anao
Izay rehetra ao anatiko ao

Hatramin'izay, toa kapoka nahamay
Babo ny fo fa ianao foana no ato an-doha
Na ny tontolo, gaga noho ianao
Mandre ny rediredy hoe "Tiako be ianao"

Satria natahotra aho taloha
Raha nanambara ny ato am-po
Ankehitriny lazaiko anao
Izay rehetra ao anatiko ao

Satria natahotra aho taloha
Raha nanambara ny ato am-po
Ankehitriny lazaiko anao
Satria tiako be ianao ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Parh-Shon & Voary
Vangy : 1762
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 28/04/2019 13:30
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123