Tanala very sampy (Ny zanatsihanaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy aviavy teny ianao
Fa raha lalako
Manin’olona tsy tia
Ka manjonitra e!
Tsy lavolavo mandry koa za
Manembonembona an’azy e !
Misaina raha maro ny eritreritro ô !

Fa lasan’ny olon-kafa any ny malalako ô!
Tsy nametra-beloma intsony fa nalaina nivolagna

Aza kivy matse, mahereza foana
Raha mbola miaina eto an-tany
Tsy ho lany tandrifiny (bis)

Tsy nagnano ratsy an’azy any aho fa dia nilaozany e!
Ny tsitsika natao taloha asany e!
Avilay ny lasa ho any
Fa banjino indray ny ho avy
Ka tanala very sampy ka manova no izy!

Fa lasan’ny olon-kafa any ny malalako ô!
Tsy nametra-beloma intsony fa nalaina nivolagna

Aza kivy matse, mahereza foana
Raha mbola miaina eto an-tany
Tsy ho lany tandrifiny (bis)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny zanatsihanaka
Vangy : 216
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : SahondraR
Daty : 14/01/2024 17:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.374