MINO AHO (NY TSANTA FIHOBIANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.maro Be Ny Adalana Natao Teo Imasonao
Toa Ninia Tsy Nialana Izy Ireo,eny Hatram`izao
Tsy Nosainiko Mihitsy Ny Anao Izay Sitra-ponao
Tsy Mba Nandeha Mahitsy Fa Nanohy Ny Ratsy Fanao

Ref:kanefa Mbola Mino Aho Ry Ray Fa Ianao Tsy Mandao
Miantso Sy Mitady Ahy Mba Ho Tonga Olom-baovao
Fa Ankehitriny Kosa Aho Dia Vonona Hiova Tsy Hania Intsony
Fa Hanara Dia Anao Indray Manomboka Izao Ka Tsy Hanindroa

2.efa Impiry Ny Antsonao Ry Ray No Nitaona Ahy
Enoko Ihany Izy Ireny Saingy Indrisy Adinoko Indray
Tsy Nosainiko Mihitsy Ny Hahatsiaro Ilay Mandrakizay
Fa Nivilivily Lalanao Aho Vao Taitra Kinanjo Lafaoro Mamay

Ref:kanefa Mbola Mino Aho Ry Ray Fa Ianao Tsy Mandao
Miantso Sy Mitady Ahy Mba Ho Tonga Olom-baovao.fa Ankehitriny Kosa Aho Dia Vonona Ny Hiova Ka Tsy Hania Intsony
Fa Hanaradia Anao Indray Manomboka Izao Ka Tsy Hanindroa

Hifonako Ireo Rehetra Efa Vita Hatrizay Nanndratra Anao

Fa Hanitsy Ny Lalako Aho Fa Tena Efa Fay
Inty Ao Ry Ray
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY TSANTA FIHOBIANA
Vangy : 48
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Fideranaa
Daty : 18/04/2024 07:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4794