MANAIKY AHO (NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref:
Ekeko Ray izay atolotrao ahy
Ekeko fa izay no sitrakao ho ahy
Fa na dia mafy sy mavesatra aza izany
Ny aiko mila ho reraka hatrany ihany
Kanefa manaiky aho izay fitantananao
Ekeko avokoa f'izay no lahatrao

1- Tsy ho kivy aho satria manana Anao
lay Jesoa zoky tia izay tsy mba mandao
Ny masonao mijery ahy feno fitia
No tokiko sy famonjena ho ahy doria
Ka na dia mandrakotra ny fiainako ny haizina
Dia mbola hanantena Anao fitiavana aho

Bridge:
Ka manaiky aho
Manaiky izay voatendrinao
Na sarotra, na koa tomany
Na fifaliana no iainako eto an-tany
Tsy ho kivy aho fa eo Ianao
Dia mbola hanantena Anao Jesoa

Ref:
Ekeko Ray izay atolotrao ahy
Ekeko fa izay no sitrakao ho ahy
Fa na dia mafy sy mavesatra aza izany
Ny aiko mila ho reraka hatrany ihany
Kanefa manaiky aho izay fitantananao
Ekeko avokoa f'izay no lahatrao

Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy
Ary tsy misy voany ny voaloboka
Na mandiso fanantenana aza ny oliva
Ary tsy mahavokatra ho hanina ny saha
Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala
Ary tsy misy omby ao am-pahitra
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy

Dia mbola hanantena Anao Jesoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)
Vangy : 3227
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Faliana2402
Daty : 25/01/2021 17:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1529