Madagasikara (Vakodrazana) (NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha filazantsara no entina hitondrana an’ i Madagasikara
Ho sambatra ity nosy ho ravo ny tanana, hihira fiderana
Ho resy ny alahelo, ho foana ny tomany, hiadana ny tany
Fitia hitsiry faka, fihavanana no hanjaka,korana lalandava

Raha izany raha mety ianao,
isika rehetra mino izao
Ho tahafina sy andrandraina
Ho fanafana hampody ny aina
Andeha re hifankatia e!
Hitory an’i Jesoa Kristy e!

Tsy misy vaha olana mandaitra sy tomombana azonao arantiranty
Afa tsy ny fiangonana miambina sy miomana handresy ny asa ratsy
Tsy mba sandaina vola fa izay manana finona no ahazo fiantrana
Jesosy re no harena voazara sy nomena ho anao ry Gasikara


Raha filazantsara no entina anehoana ny fanatontoloina
Ho foana ny asa ratsy, hiadana ny gasy, hipirina ny basy
Fa raha tsy izany kosa, hitombo sy hiavosa irony vaky trano
Fitiavantena hanjaka,fankahalana hitombo faka, ka be no hahita angano

Raha izany raha mety ianao,
isika rehetra mino izao
Ho tahafina sy andrandraina
Ho fanafana hampody ny aina
Andeha re hifankatia e!
Hitory an’i Jesoa Kristy e!

Tsy misy vaha olana mandaitra sy tomombana azonao arantiranty
Afa tsy ny fiangonana miambina sy miomana handresy ny asa ratsy
Afa tsy ny fiangonana miambina sy miomana handresy ny asa ratsy
Tsy mba sandaina vola fa izay manana finona no ahazo fiantrana
Jesosy re no harena voazara sy nomena ho anao ry Gasikara

Raha izany raha mety ianao,
isika rehetra mino izao
Ho tahafina sy andrandraina
Ho fanafana hampody ny aina
Andeha re hifankatia e!
Hitory an’i Jesoa Kristy e!
--------
Rohy:
Hevitra
Faliana2402 ( 09/03/2016 12:25)
Nahazoana voalohany tamin'ny Fihaonambe STK tao Toamasina teo amin'ny sokajy Vakodrazana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)
Vangy : 3169
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Faliana2402
Daty : 09/03/2016 13:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5207