Mpandresy isan'andro (Ny Antsa an'ny Fahamarinana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy làlana jerenamanodoka andehanana
sy tanjona
heverina ho marina.
Vao maraina izaho mifoha
mandram-pialasasatra
dia tsapaina aho
amin’ny safidy tsy maintsy atao.
Isan’andro eo amin’ny fiainana
misy ny fahagagana
miaraka
amin’ny ady mampianahana.
Ry Tsitoha mitalaho aho
ampianaro ahy ny momba Anao,
amin’izay
izaho Mpandresy mandrakizay!
Tompo Ô! Manolotena aho
sy mitalao mafy Aminao :
Mangataka,
aza avela hanota amin’ny Fanahy!
Raha ny fitiavanao no ekena
sy manoha ampanetren-tena
dia tsy ho resy,
isan’andro aho mpandresy.
Izaho ho vavolombelona
ho an’ireo izay miaino,
haneo mazava ny lalana ho any amin’ny Jeso,
dia lalan’ny finoana
amin’ny Mpamonjy hibaboana,
ahitana
ny tena fahafahana.
Tompo Ô! Manolotena aho
sy mitalao mafy Aminao :
Mangataka,
aza avela hanota amin’ny Fanahy!
Raha ny fitiavanao no ekena
sy manoha ampanetren-tena
dia tsy ho resy,
isan’andro aho mpandresy.
Tsy mba misy avy amiko.
Izaho mila matoky Anao,
mianatra ‘lay Teninao soa,
tsy mitsahatra mivavaka.
Tompo Ô! Manolotena aho
sy mitalao mafy Aminao :
Mangataka,
aza avela hanota amin’ny Fanahy!
Raha ny fitiavanao no ekena
sy manoha ampanetren-tena
dia tsy ho resy,
isan’andro aho mpandresy.
Isan’andro
ny fahasoavana.
Mandrapodianao
isan’andro aho mpandresy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Ny Antsa an'ny FahamarinanaVangy : 41
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : varira
Daty : 02/04/2025 11:14