Vavaky ny mpianatra (Ny Ainga)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
......tsorotsororoo.. Tsorotsororoo La la la la la la
Ny lanitra iny (x2)
Banjininao ho tony avokoa
Ny alahelonao ety an-tany ety
Dia ho sambatra ianao
Eo an-tananao ry tompo ny fianarako
Hanomanako ny ho avy sy ny anjarako
Masoandro mibaliaka no mba tadiaviko
Ka ny horesim-pahakiviana sanatriaviko
Ny lanitra iny (x2)
Banjininao ho tony avokoa
Ny alahelonao ety an-tany ety
Dia ho sambatra ianao
Tsaroako vao maraina ny anaranao
Hatramin'ny alina mangina aho mbola hitanao
Ny hasasaran-dray sy reny tsemboka tokoa
Mba maniry sombinaina ho tafitasoa
Ny lanitra iny (x2)
Banjininao ho tony avokoa
Ny alahelonao ety an-tany ety
Dia ho sambatra ianao
Andriamanitra ô! Tantanonao ny androko
Fà finoana sy fahaizana no tanjoko
Fahombiazana ho sitraka sy telina
Mba hoentiko manompo ny mpiarabelona
Ny lanitra iny (x2)
Banjininao ho tony avokoa
Ny alahelonao ety an-tany ety
Dia ho sambatra ianao
Tsorotsororoo... Tsorotsororoo
La la la la la la
(izany ny vavako ry tompo) RE
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Ny AingaVangy : 1104
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rolandsavio
Daty : 25/05/2020 13:59