Ny finoana (Ny Ainga)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eny an-dalana mamaky haizim-pitoN'aiza na aiza misy anao dia matokia.
Tsy mba kivim-pahoriana izay matoky,
Mino sady manantena sy mitia.
Ny finoana tsy maintsy iainana, (ny finoana)
Ny finoana arahina fitia.
Zava-poana ny finoana
Sy ny vavaka rehetra
Raha tsy misy fitiavana
Ny finoana tsy hoe fiekena ihany, (ny finoana)
Ny finoana dia fifikirana.
Ny mifikitra amy marina
Hanasoa ny olombelona rehetra,
Izay no fitiavana.
Zava-poana ny finoana
Mbamin'ny fanantenana
Raha tsy eo 'lay fitiavana.
Ny fanantenana fahatokiana
Mahatoky fa ny soa maharesy ratsy
Ka iza no hahasaraka, na haizina mikitroka
Na onjam-pahoriana ny fitiavan'i Jesoa,
Jesoa ô, ry Jesoa ô.
NY AINGA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Ny AingaVangy : 5052
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : cmbolatiana
Daty : 14/09/2016 10:22