Nofy (NEO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tontolo vaovao ravahan'ny volana sy kintana
Tsisy afa-tsy izaho sy ianao sy ilay fijerinao mampangorintsina
Hiaraka hanidina dia hifandray tanana tsisy ahiahy
Lavitry ny jaly, ianao dia ampy ho fifaliana ho ahy
Ny alina no mampiray ny fanahy noho ny mazava

Izay iriako ahitako anao hatsaràna tsy voaisan'ny tanako
Sady hiankinan'ny hoavy no harena sy hany mba fananako
Saingy ianao mbola tsy ho ahy raha tsy mody masoandro
Tiako ho ahy ianao , izay no hiezahako an-davanandro
Oh ianao ilay nofiko

Can't stop dreaming cause it can fly me to the moon
I'll keep on singing waiting for you in my room
You know that I can't stop loving you baby
I'm going crazy when I wake up and you are not here

Ao anaty ny fiainako, mitoetra ao n'aiza n'aiza
Ao anatinao no hitarainako sady mampitsiky no mitaiza
Fa raha tsy teo ianao hinoako hoe tapitra hatreo ilay tantara
Na mety miovaova loko, na mainty io na fotsy izay no anjara
Ao aminao no hisainako, ao aminao no hitarainako, fiainanao koa ny fiainako
Raha tsy teo ianao dia tsy misy hisainako, toy ny tsisy ny fiainako, izay no mba hitarainako

Fa tanaty nofy no nahatsapàko voalohany ny fiadanana
Tanaty nofy no nahakoboko hoe tsy ny olona rehetra no azo hatao namana
Tanaty nofy na nahatsapàko hoe ny ditra tsy tokony hitovana
Tanaty nofy no nahatsapàko hoe ny fiainana kay fandalovana

Ianao ilay volana nahay nanazava ny aizin-kitroka nitoerako
Izay fahalemenao hiaretako, sanatria aho raha ho reraka
Raha miafina ianao tadiaviko
Raha mamono maso hikipiako
Hifampitantana sy hiaraka
Hihoatra ny lanitra fahafito

Can't stop dreaming cause it can fly me to the moon
I'll keep on singing waiting for you in my room
You know that I can't stop loving you baby
I'm going crazy when I wake up and you are not here
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NEO
Vangy : 475
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : JonRadaf
Daty : 19/04/2022 13:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.245