Andro hafa (Nazarene Herymaizina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andro Hafa (Kasya, Slem, Al Kassim, Nazerene, Doubl'e'nn)


Kasya:
Androany hafa tsy toy ny omaly
Ny lasa avela ho any de fiainana vaovao
Androany hafa tsy toy ny omaly
Ny ho avy no banjino de tantara iray vaovao

Slem:
Ny akanton'ny tontolo no nampisokatra ny fitiavako
Fanampin'ny inspi de nisy ny sora-tanako
Invictus amnésique fisaorana ho anazy
Nilay ny drafitra ny tontolo fa nampisy ny tsy nisy
De fiantsoko ny inspi aloha ny plan voalohany
Mba admonesté-ko fa nisy ny fiatomboana
Saingy lalina ho finoanany de notolorany ho anah ny p-ra
Mba hataoko ho solon'anjely sady devoly
De ialako tsiny ho an'izay nanome fo nitempo na zah
Fa ny toe-tsaiko no nanorina de izy ihany no hampanimbaiko ny tempoly
(Atreo aloha Slem a! ,vetivety aza atao lavitra lotra le feedback 'nlah fa manjary lasa lavitra le kozy e! kopy elah, de alefaso amzay ary ny fahitanlah le oe andro hafa ny androany)
De andro hafa indray androany nahatsampako ny fisiako ka nahitako ny hatsarako
Jery todika anio ny hidrafiteko ny radem
Ka mba ho carpe diem de indro hafafiko anaty rap ny lasako
Anaty 'rics mantsy Slem sy raPa, Nazarene Herymaizina mbola deban'ny asa goavana
Hérétique zone kara ho ela velona ny rap
De ireo ny hazana sy haizina nitsilo azy teny fona
Satro-boninahitra ny bonetra e tôn zama

Androany hafa tsy toy ny omaly
Ny lasa avela ho any de fiainana vaovao
Androany hafa tsy toy ny omaly
Ny ho avy no banjino de tantara iray vaovao

Nazarene:
Andro hafa andraisana penina sy taratasy
Aty inspiraka mivaoka ho azy magie magie passe passe
Aaa tsy de basy vava manam-boninahitra ohatran'i Kratos mantsy
Atao fona ny matosy fa rap tsinona no mahagasy
Iza no hitsara? Ireo andriamanitra sa ireo velona?
Ka rehefa dorako ny lanitra kopy ve elah oe zah Nazarene
De zah fona atao emblème isaky ny mifoha maraina
Fandresena goavana soa ihany zah ry zalah fa olombelona
Soa ihany ah fa kôfa tsotra ny lasa tsy asina nenina
Androany hafa pôtena fa tsy hay tsony izay ho radem
Miaina ohatra ny ho faty fa Carpe Diem
Carpe-noko thème mijery lavitra mijery goavana fa atidoha an'alien
Mijoroa enao ry olombelona fa androany ny andronao
Antsika izao minitra izao, antsika izao tontolo izao
Nazarene tsy te ho vedette sady tsy mila compète
Ompa sy dera vetivety ve no ndeha hamadiako kasikety
Oka aloha hampidinako braguette segondra iray akifety
Somary mihondrika kely elah de ataoko amboletra
Inspiraka tsisy fetra, inspiraka aty voretra, inspiraka sarotra fehezina fa ambany tany tsisy fepetra

Androany hafa tsy toy ny omaly
Ny lasa avela ho any de fiainana vaovao
Androany hafa tsy toy ny omaly
Ny ho avy no banjino de tantara iray vaovao

Doubl'e'nn:
Andro hafa androany hatomboko am medidaka sy mantra
Satria tam 3 maraina mbola tentera
Ampina fisaorana ny loharanon'ny rehetraretra
Satria am fiainana tsy ilaina ny mametra
Isan'andro milay noho ny omaly
De itako ny lanjan'ny segondra iray de hiainako favy
De naka tasitara ah hanoratako ny vaovao mahafaly
Album grand no havoaka de atao milay ny travy
Tam 10 ora maraina nifanena tam lasa
Lasa, izay nanisy lavitondro ny ankehitriny
Asa raha fantany fa ato ampoko izy tsy ho voavafa
Fa samy tonga saina izay oe androany andro hafa
Fotoana tam ra-Tongue Nat tam 2 bon bruch
Natao live iny taraiky tany Axis mundi
Nareo mpiaino nomeko cace-dédi anaty OSS
Mbola misaotra ny inspi, misaotra ny mpankafy
Am 4 latsaka fefany tonga aty am studio
Mamarana 'rics tratry ny taona lesy frérot
Andro milay androany manodidina ah feno tsiky
Golumn golumn akia misaotra tam anjara biriky
Fa ireny no hanaovako ny fototry ny pyramide radem
Androany alina mitohy ny tentera mitohy ny tantara
Ohatr'izay ny andro iray miaraka am Doubl'e'nn
Manampy ny andro maha légende avy eto gasikara

Androany hafa tsy toy ny omaly
Ny lasa avela ho any de fiainana vaovao
Androany hafa tsy toy ny omaly
Ny ho avy no banjino de tantara iray vaovao
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 04/09/2023 23:41)
Bogota?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nazarene Herymaizina
Vangy : 506
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Azazel
Daty : 04/09/2023 09:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121