NY FAHAZAVANA (Mira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
                        "Ny Fahazavana"


   Mba hanidina hisidina
   Hiaina ao anaty nofy                          (2x)
   Hitety izao tontolo izao
   Hatrany izaho sy ianao
   Zavatra tsy azo ferana
   Fa manerana
   Zavatra tsy azo ferana
   Fa manerana
(2X)

Refrain:Mozika na hira izany
           Tena tsy misy fiafarany
           Tononkira miova hatrany
           Ao am-bava sesilany
           Mozika ho an’ ny rehetra
           Haran-dihy tsy voafetra
           Mitovy amin’ny FAHAZAVANA (2X)          

Refrain:...

    Na ory na manana
    An-trano, ankalamanjana
    Ny fety efa mafana
    Hiaraha-hikorana
    Adinoy ny alahelo rehetra
    Ho nofy tsy voafetra
    Ho tanteraka izany
    Raha miaina amin’ny izany(2x)

Refrain:...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mira
Vangy : 1911
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Syssy
Daty : 29/09/2003 21:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
Hirany hafa
tohiny...
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5266