HIRA FANEVA FAHA-25 TAONA OFS Anosivavaka (Miantsan'ny Zava-boa'art Anosivavaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HIRA FANEVA 25 TAONA
Ordre Franciscain Seculier Anosivavaka

Taon-jaobily izao no diavina
Ambanin'ny fiarovan'i Md Fransoa
Taom-pahasoavana tsy hay adinoina
Ho marika hatrany hoe mijoro ny finoana
Ka na amin'ny mora, na amin'ny sarotra
Fiadanana, hafaliana no handrakotra

Fiv :
25 taona izay no nodiavina
25 taona hitsingerina
Izy Tompo no niandohana, Izy koa no hiafarana
Mirafeta eo Aminy fa Izy no vato velona
I Md Fransoa ho Ray mpitarika
Hanaja zava-boaary endrik'Andriamanitra
Fahantrana, fanekena sy fahadiovana no ho kendrena

Hitombo isan'andro ny soa horatovina
Amin'ny alalan'ny Pretra nanaiky hanovozana
Tsy ho taona handalo na tsaroana fotsiny ihany
Fa hanehoana finoana, hanamafy fatorana
Hitondra ny Evanjely eo amin'ny fiainana
Ary ny fiainana ao amin'ny Evanjely

Hisaorana ny Ray, Zanaka sy ny Fanahy
I Masina Maria, Reny tia, ka tsy hanahy
Ilay zoky sady Ray mpanorina, i Md Fransoa
Fiorety ho ravaky ny fikambanana
Tanora fransiskanina ho fanilo fanasina
OFS ho ohatra hanabe, hampiombona
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Miantsan'ny Zava-boa'art Anosivavaka
Vangy : 493
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : NinaJaonary
Daty : 16/11/2021 20:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0822