ATAOVY SOA (MIANGALY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vagna lavitsa ny làlagna, ny hafatsa ho agnao ataovy soa
Be dia be ny raha hita mety hanimba ka aja atao kitoatoa
Aja dia variana loatsa amy raha mitera-doza tsa mamely an
Fa ny raha lefa ratsy, tsa mba soa velively an

Fiv.
Fa ny fahazaran-dratsy izao ro famonoan-tena avilao
Manaova soa ny hafa f’io ro raha tsa mba hanegnenanao
Mba fadio ny ratsy,
Aja mifandrafy ;

Fa ny raha ts’isy tsiny sady mety sy ny tokony hatao
Mifankatiava atsika magnorena fihavanam-baovao
Fa izay ro soa,
Izay ro tena soa.

Agnao zao mihevitsa fa hoe matoky tena agnao raika
Tsiahivo fa ny ratsy tsa mba kely làlagna mitsaitsaika
Fa misoko dia misoko tsa havelany agnao lehe tsa voa
Dia izay ro raha misy, tsa mba lenga fa tokoa

Fiv.

Vagna lavitsa ny làlagna, ny hafatsa ho agnao ataovy soa
Be dia be ny raha hita mety hanimba ka aja atao kitoatoa
Aja dia variana loatsa amy raha mitera-doza tsa mamely an
Fa ny raha lefa ratsy, tsa mba soa velively an

Agnao zao mihevitsa fa hoe matoky tegna agnao raika
Tsiahivo fa ny ratsy tsa mba kely làlagna mitsaitsaika
Fa misoko dia misoko tsa havelany agnao lehe tsa voa
Dia izay ro raha misy, tsa mba lenga fa tokoa ...
Dia izay ro raha misy, tsa mba lenga fa tokoa ...
Dia izay ro raha misy, tsa mba lenga fa tokoa ...

Sokela:
Izay ako ro hafatsa ho atsika mianakaby
Ataovy soa hoe, fa miharatsy izao fiaignana izao an
Agnao io, agnao tanora io, agnao efa antitsa io
Leko ny agnajaza mba tarogny aby
Ataovy soa hoe ny fiagnana
Agnao hoe mila miambigna
Isan’andro isan’andro
Aja laitsa amizao fianana izao fa raha tsy misy mahasoa eto
Hafatsy ny iraika, dia ny Tompo Andriamantsa
Eh, izay ako ny hafatsa : ATAOVY SOA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIANGALY
Vangy : 2231
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : parany
Daty : 14/03/2006 09:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727