Telo mianaka (Mbolatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fifaliana vaovao any anatiko
Ny mahita anao indray, mirana toa izay
Ary tena tsapako fa noraisinao tokoa
Ilay fitiavana kely feno tantely

Dia notohizanao
Fo madio indray izao
Ny fiarahantsika, na dia efa vita aza
Raisiko ao ampoko ao
Fanajana ho ahy sy ho anao
Izay vitantsika, fa tsy kilalao

Tapitra, tsy hay lazaina fa eo ihany
Miaraka mahatsiaro ny any ho any
Tsisy intsony, ny adiady, lonilony
Samy tony, samy afaka ny fony

Tiako ianao, ny fahalalako anao tsy niova
Niha nandroso any, nanorina akany
He jereo, jereo, jereo, efa telo ianareo
Ho tahian’ny Nahary dia, fitia be dia be

Tapitra, tsy hay lazaina fa eo ihany
Miaraka mahatsiaro ny any ho any
Tsisy intsony, ny adiady, lonilony
Samy tony, samy afaka ny fony

Tiako ianao, ny fahalalako anao tsy niova
Niha nandroso any, nanorina akany
He jereo, jereo, jereo, f'efa telo ianareo
Ho tahian’ny Nahary dia, fitia be dia be
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mbolatiana
Vangy : 2496
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tiavinamarina
Daty : 13/08/2020 11:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1376