Tsy sitrako (Mamy Rakotoarimalala)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
- Tsy sitrako izao -
Mamy Rakotoarimalala

A/C : Mamy Rakotoarimalala


Tsaroako tsy maty vonoina ao anaty
‘reo andro lasa niaraha-nikalo
nisoko mangina ka mila tsy ho tanty
namolivoly toa oram-panala

Veloma,
Veloma e ry mamin’ny foko !
veloma no sisa hany hokaloiko
veloma kanefa ny dina natao ;
mety hamingana hanamotraka anao.

Na mafy aza ny fahatsiarovana
Mamelona indray ny fo tia anao
Iniako hampanginina ho tra-pahalovana
satria fantatrao fa tsy sitrako izao

Veloma,
Veloma e ry mamin’ny foko !
veloma no sisa hany hokaloiko,
veloma kanefa ny dina natao
mety hamingana hanamotraka anao.

Ninia aho nikipy tsy hijery anao
dia hohaiko tokoa ny hamono avy hatrany
ny sentom-pitia tsy hiampita aminao
fa homeko olon-kafa iray any ho any !

Veloma,
Veloma e ry mamin’ny foko !
veloma no sisa hany hokaloiko,
veloma kanefa ny dina natao ;
mety hamingana hanamotraka anao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mamy Rakotoarimalala
Vangy : 150
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tanjaka
Daty : 07/08/2025 01:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
Hirany hafa
tohiny...
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2321