Ny tena hasambarako (Mahatsangy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny tena hasambarako, akaikinareo mianakavy
Ka ny faniriako androany
Ny hahita anareo tsirairay avy
Vory lanina eto anio, hiaraka isika hifalifaly
Reo adiady avelao ho any, hiombona feno isika androany
Ho iray!

Ny tena hasambarako, akaikinareo mianakavy
Ka ny faniriako androany
Ny hahita anareo tsirairay avy
Vory lanina eto anio, hiaraka isika hifalifaly
Reo adiady avelao ho any, hiombona feno isika androany

Ny fiainana dia mandalo
Ndao hifankatia raha mbola azo atao

(Ref)
Androany aho, hivoy fifankatiavana fa izay no tsara
Hafanana, fifaliana foana, izay ilay tanjona anio.
Ho fianakaviana, tena iray
Tsy misaratsaraka fa mitambatra indray.
Dia ho sambatra aho manana anareo

Dia tena faly ny foko anio mahita ny endrika anareo
Miramirana sy feno fifaliana rahateo
Izaho maniry ny hitohizan'izao, izao fiarahantsika izao
Haharitra ho mandrakizay, ho iray fo saina fanahy


Ny fiainana dia mandalo
Ndao hifankatia raha mbola azo atao

(Ref)
Androany aho, hivoy fifankatiavana fa izay no tsara
Hafanana, fifaliana foana, izay ilay tanjona anio.
Ho fianakaviana, tena iray
Tsy misaratsaraka fa mitambatra indray.
Dia ho sambatra aho fa manana anareo


Moa ve...
Misy...
Tsara...
Mihoatra...
Izany..
Mpianakavy...
Izay...
Mifankatia...

Androany aho, hivoy fifankatiavana fa izay no tsara
Hafanana, fifaliana foana, izay ilay tanjona anio.
Ho fianakaviana, tena iray
Tsy misaratsaraka fa mitambatra indray.
Dia ho sambatra aho fa manana anareo
Dia ho sambatra aho fa mahita anareo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahatsangy
Vangy : 833
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 09/01/2022 00:16
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124