Mafy ny hatoka (Mafihatoka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hendry be hono izy e, mpivavaka e !

Vao teny am-piandohana no namboraka mazava taminao izay mba vokatry ny foko e
Fa nolavinao an-kitsirano, nolazainao fa kozin'na bandy jiolahimboto ô ô
Tsy nety amin'ny fiainanao hono izaho satria izaho bandy mifoka sigara ô ô
Bandy mpirenireny, tsy hianatra tsy an'asa fa eny amin'ny be'ara ô ô
Dia mbola nolazainao ihany koa, fa bandy mahatsiravina ary mampite-handoa ô ô
Mahamenatra amin'ny vahoaka, fa tsy manan-tsakaiza raha tsy ireo karazan-toaka ô ô
Fa hono hoa rahavana ? fa 'ngaha raha mamo lava dia tsy manam-pitiavana ?
Fa hono hoa ry neny ? fa 'ngaha raha tia anao dia anaovana kozy hoatran'ireny e ?

Ekeko aloha hoe izaho no tianao saingy aleoko ihany tara amin'ny palitao
Tsy hoe ianao no mampitsoaka fa dimanjato anie izao ny vary iray kapoaka
Ka raha resaka revy, rendrarendra aloha dia aleo hilamina, aleo hijanona ho mpiakama
Miala tsiny aloha mafihatoka fa zah aloha leon'ny fahantrana

Fa sao lazaindry hoe tena mpamboly vola zah na ministry ny vola !

Isaky ny mba hiresaka aminao dia mahazo ny eso sy karazan-teny ratsy ô ô
Voakôzy ny sakafo, ny fomba fiaina hatramin'ny fomba fitafy ô ô
Nolazainao ihany koa fa tsy fitiavana no iarahantsika roa fa par sanjila ô ô
Izaho hono bandy mivika, mandrodana fiangonana amin'ity kavin' ila ô ô
Noraranao ireo akamako lazainao tsivanona fa mpanely tsaho ô ô
Nefa ianao no jôba misenina fa toa ny amponga mihantona amin'ity toetranao ô ô
Fa hono hoa ry kala ? fa 'ngaha raha tsy mikozy izaho dia hoe bandy adala ?
Fa hono hoa ry neny ? fa 'ngaha raha tia anao dia anaovana toetra ohatr'ireny e?

Etý am-piafarana no hikôzy aminao zah, aleo aloha zah tsy haka lagy
Ekeo aloha hoe manja ah fa zah tsy sipa jiolahimbavy
ka aleo ekena izay jerena dia aleo revena fa zah tsy tia tena
ka raha resaka... hanhanhan... 'ndehana toi mamono tena
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mafihatoka
Vangy : 1522
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 14/03/2018 20:25
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2335