Diso fijery (Mafihatoka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tongasoa ry mpihaino hajaina eto amin'ny fivoriana tsy ara-potoana
Fantratro nareo fa olombelona misaina, ka hiezaka aho no tsy hiteniteny foana
Miataha hono ny tenako fa sady tsy hihira no tsy hanao tsianjery
Omeo anazy hono ny anjara fiteny fa izy hono mahay manompa reny
Dia mampiteny irery fa ny fanaratsiana ve ry sakaizako efa nampitombo hery
Tsy maratra ve ianao nefa handeha hampanjaitra fery
Fa ny njila voajanahary indray ary ve no ataonareo hoe ratsy fijery
Dia mampalahelo, fa ibotrian’ny fahaizana araham-pahalalana tery
Dia misitery ! fa misy teny saingy iniana tsy ho voajery fa kabarin-jazakely
Fankahalana ! isaorana izy fa ny fitia tsy atao an-tery
Tapitra ny fahalalako amin’ny resaka hery
Aleo ary hitsahatra, fa nareo maika hihaino moa za koa maika hi… hislam

Nahoana kay ianareo no toy manenjika daoly
Nolazainareo ilay kof’boy oe bandy mpanamoly
Fa nga raha menamena moa io masoko io dia daindy
Fa nga raha miainga io inspirako io dia tsy maintsy hoe mana-oinzz
Fa nahoana kay re olona no mifapitsaratsara nefa samy hotsaraina ?
Moa ve mamono antoka raha toa ka mba misaina ?
Fa Jehovah efa nanafatra hoe tiavo ireo akama toy ny nitiavako anao
Mifankatiava nareo toy ny nitiavako anareo

Nahoana kay nareo no manakiana daholo eh ?
Fa nga nareo Jehovah sa Andriamanitra sa Paoly Apostoly eh ?
Maninona ireo kozy noforonina lazaina misy tsara sy ratsy ?
Ny olombelona ry tony tsy tsaraina amin’ny fitafy
Fa Mafihatoka re olona efa leo ny tatasika sy karazana taim-bava
Tsy aleo ve ry pokona mifanazava ?
Fa Jehovah efa nanafatra hoe tiavo ireo akama toy ny nitiavako anao
Mifankatiava nareo toy ny nitiavako anareo

Nahoana kay nareo no toa manorisory eh ?
Kozy nava ranabavy tena marina fa mahasosopary eh
Maninona kay raha samy manala azy dia tsy mifaka lagy
Dia milamina ireo drafitra mazava hoazy
Fa nahoana kay re olona no mifampitsaratsara nefa samy hotsaraina ?
Moa ve namono antoka raha toa ka mba nisaina ?
Fa Jehovah efa nanafatra hoe tiavo ireo akama toy ny nitiavako anao;
Mifankatiava nareo toy nitiavako anareo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mafihatoka
Vangy : 1582
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 23/10/2017 13:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1852