Homa-miadana (Mafihatoka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aretina io izay tsy azo tsaboina
Mety ho diso mety ho marina
Ny foko tsy azo anarina
Ny fitiavako tsy diso
Fa nenao ny marina mandiso ny marina
Tsy lavitra tsy akaiky nefa sarotakarina
Marina hoe lavo za
Fa tsy te hiarina

Ra nanoratra tamin'ny ankavia aho no noterena hoe ny be sy ny maro amin'ny ankavanana
Dia aza tsiny ry vahoaka raha hanambara fehezateny somary tsy dia nandalo fitatavanana
Nambaranareo ombieny ombieny hoe ny ory tsy havany manana
Diso ka, havako ianao ry sakaiza na tsy tsara randranana dia aza sakanana fa tsy manana
Ary mbola ho very ny tsy ananana
Fa efa eny apamaranana no miezaka misongon daharana mikaro-pasambarana
Hombaiko manana amin'ny mpamboly ny filatsakiny ranonorana
Satria oroka tsika voaloany iny nefa tonga ilay olotinao
Dia mipetraka ary ny olana
Ny fitokisana anie efa ela no nivadiany fitiavana
Dia Mafihatoka ihany ve no mahatazana
Hoe rafilahy tsy mba havana
Ny atsasany avy ao ampo moa ny ambiny avy amin'ny saina
Fa ra tofoka ny ankavia ny aina mbola tsy malaina na sanatria hoe midaina
Fa rerakiny adisaina miandrandra ny andro haraina
Ny anareo mety hoe voady ny hivady dia izao zany hilady sy hanaiky resy tsy miady
Iray tsikomvakomba hoe efa vita fatomaty ilay tady
Nefa tazako eto sahady fa hivarina any ankady
Dia azafady fa tsy hoe mpamboly nefa tsy handray angady
Satria ve tany no nialohalalana dia izaho ato arina no tsy maintsy anjanonao namana
Aona moa no afatarana tsirokanina raha tsy mandalo fanandramana
Fa tsy maninona fa endrasako eo atsapanan dalana
Fa na hoe ela na ho aingana iny fo anao iny mbola hidoboka amin'ny ankavanana
Ozy ny soratra masina hoe aza maniry fananan olona ozy ndray ozy ny soratra marina hoe aza manaiky lavo tsy mitolona
Fa ra toa ko maneho ny fitiavana anao dia aza atao hoe voaray fa misaotra
Aleo mba ho mira ny lalao fa atreto izy mbola iray noho aotra
Fa ny tany tandalàna tsy maintsy misy fandrarana
Dia mafihatoka amperinasa ve no tsy homenao tambin karama
Tsy laviko iny ny toetranao fisalasalana
Tahotra ny fitsarana hoe ny lalana malama na aza mitsipadoha laka nitana
Dia andana fa hoento miaraka aminao forsiny ny mifanohitra amin'ny fankahalana
Dia aza ratrana fa ny fitiavako no aleo vahana sy analana mari pana
Hoentimionona amin ny hoe adalàna

Aretina io izay tsy azo tsaboina
Mety ho diso mety ho marina
Ny foko tsy azo anarina
Ny fitiavako tsy diso
Fa nenao ny marina mandiso ny marina
Tsy lavitra tsy akaiky nefa sarotakarina
Marina hoe lavo za
Fa tsy te hiarina

Eny ary fa na tsy ho diary na tsy ho lavorary
Dia aseho ankarihary hoe mahalala maharary na mila voantsiary
Fa ra ny akama sy ny tary no nahita hoe tsika sy ianao toa rano sy vary
Ianao indray no naneho hoe ny antsika tsy anjary dia mijaly
Fa ozy zoky Rado hoe" ho any ianao kanefa aza ataonao fantany izao"
Dia nefa io ary ianao ary tena fantatrao
Sa ve hoe odiana mitapy ilay fo mitempo ho anao
Vidin kaja vidimboninahatra nefa fo midoboka tsy azo sakanana
Fa ra manaiky ny saina ny f0 tsy azonao kozina hoe andao fa lalana
Fa misy ny olona tsara vintana
Izay angamba no mahalaza azy
Fa manana anao mpanasitrana nomenao ny voninahitry ny mariazy
Fa ra akanjo ny tenanao mbola fanamina na efa vasoka
Moa ra vilanin daoka mety efa impolo natao kasoka
Fa tsy aleo iany ve mitsambiki mikipy raha toa ka any aminao ny anjara tsiky
Saingy indrisy fa ozy ianao hoe antenao eo ny tsy misy
Peace
Yeah
Fa haja sy voninahitra ho an reo kof boay izay niezaka nitia mangina variana mametra panontaniana amin ny olo tiana
Hoe aleo ve tia sa aleo tiana

Aretina io izay tsy azo tsaboina
Mety ho diso mety ho marina
Ny foko tsy azo anarina
Ny fitiavako tsy diso
Fa nenao ny marina mandiso ny marina
Tsy lavitra tsy akaiky nefa sarotakarina
Marina hoe lavo za
Fa tsy te hiarina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mafihatoka
Vangy : 1383
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 16/04/2018 13:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2086