LYTOU & RYCANE NANADINO (Litou)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Kotsan-dranomaso ny tavako iny raha nilaozao ny aty ankehitriny e
Gina tsy nahateny, nangirifiry ka nahatsiaro ireo fitiavana fahiny e
Fa dia nandao ianao tsy mba nosaininao
Ilay foko mbola tia anao iny
Ka dia tantara sisa ilay fiharahantsika
Kanefa indrisy ianao dia nandao ahy iny
Fa mbola hanenina ianao
Ka hahatsiaro indray ny anarako e
Fa mbola ho tsapanao ihany aho
Fa ianao efa tsy anjarako e

Ref:ka dia hadinony ianao e
Zay nifanaovantsika tamin'ireny
Indrisy anefa ianao dia nandao e!
Dia sahinao ve namela ahy irery!?

Dia navelanao irery ny aty
Navelanao hilalao vovoka e
Ilay voady mba natao hiaradia
Ankehitriny anefa tototra e
Ka manatena aho foana e
Fa mbola hoavy ilay anjarako any
Ka veloma mandram-pihaona e
Fa ny antsika roa efa mampamangy
Fa mbola hanenina ianao
Ka hahatsiaro indray ny anarako e
Fa mbola ho tsapanao ihany aho!
Fa ianao efa tsy anjarako e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Litou
Vangy : 1996
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : dinanomna
Daty : 13/07/2016 08:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724