Resa-dehilahy (Leéry)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet 1:
- - - - - - - - - -
Tafaresaka aho sy dadanareo tamin'iny a!
Sendra iray lalana ka tsy afaka nivily aho
Izy koa anie be "Enquêtes" be
Ohatran'ny "Police"
Mandinika ahy, mijerijery ahy ambony ambany
Ilay paozy tsy dia nety, ny ahy tsy anatinà "Chemise"
Raha hiditra vinantony aho angamba dia tsy lany aho satria ...

Interlude:
- - - - - - - - - -
JIOLAHIMBOTO be, hono, izany haka ny zanany izany
Anefa tsy tiany hitomany, iriany mba ahita mamy
Mba tsy matiny lolo, hono, aho
Dia manaramaso sady lolony aho
"Ohatran'ny mpampirafy efa amam-polony e!"
Izany no koziny ahy
Ref:
- - - - - - - - - -
Fa nataon-dehilahy
"RESA-DEHILAHY"
Resaka momban-dehilahy
Na hoe "atsika sy ialahy"
Hoe tsy ananany roa, hono, ianao
Tsisy ro, hono, ianao
Tsy tiany asiana sira
Akoatr'izay RESA-DEHILAHY, RESA-DEHILAHY, RESA-DEHILAHY
Fa aza mi-insiste elah (ianao)

Couplet 2:
- - - - - - - - - -
Dia hoe ...
izaho ve, hono, misy diplaoma?
Mavita mamahana anao hanim-pitoloa na
Hoe ...
Afaka hiantahantany
Mavita manohy ny asan'i dadany hatraminy mbola kely
Mba tsy hiova alina ilay masoandro miposaka eto am-baravaran-kely hatramin'izay nivoahany
Ho vadinà "Mpanalina" fa efa hatramin'izay hono ianao no zavatra fiainanà "Mpanarivo"
Fa ...
Tsy tiany, hono, aho raha mpilalao
Satria tsy tiany ianao ataoko kilalao
Nanontaniany aho sao fotsy varavarany e!
Hanofa trano nefa tsy ahaloha ny sarany e!
Dia hoe Kristianina ve, hono, sa hoe sekta na hoe akama "bonne"-nà mpimasy
Sao nataoko niantefa taminy zanany direct ilay ody rehefa iny aho ilay ni-pi-maso

Interlude & Ref
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Leéry
Vangy : 243
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : balzacLeGeek
Daty : 25/01/2023 20:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1439