Ewa (Leéry)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet 1:
Hoe mpankafy, hono, aho mahatonga ahy mikôty anao
Nefa ny bandy, hono, mpanitsaka
Raha tena tia, hono, dia tokony tsy omeko anao
Satria ny volana mamitaka

Isika koa tanora manao fiainana tanora
Mifanoroka isan'ora amin'ny tsisy antony eo
Fa ianao raha voasera fitiavako anao tsy asera
Tsy misy ahy dia malahelo amin'ny tsisy antony eo

Ewa ... Nahita mpifankatia aho fa ny antsika roa mpifankafia
Ewa ... Manaiky aho fa mandainga raha miraika amin'ilay raika a!
Ewa ... Ewa a!!! Voadiko tsy hivadika fa ho vadiko mandrakizay
Ewa ...

Ref:
Tsongotsongon'adala mampanaiky ahy
Ilay bikabikanao malala no mahataraiky ahy
Ilay mombamomba anao tsy ikôzy aho sao mandainga
Tsy ikôty ny hafa intsony aho fa ny ahy ianao raika

Tsongotsongon'adala mampanaiky ahy
Ilay bikabikanao malala no mahataraiky ahy
Raha misy izay manalasala avia fa tsy handainga aho
Raha tsy anao irery aza manahy fa anao sy Neny aho

Couplet 2:
Tsy tantinao mihitsy ny mahita ahy (Gyal e!)
Ilay fihetsika mihitsy no marika
Avelao any hoy aho izay kôzy fa
... efa mpanaratsy, efa mpanao ratsy,
... ny antsika hamiratra ka tsy ho ravany e!

Hatrany ampiandohana efa nomeko anao a!
Fantatro fa ho arinao raha nekenao yehh
Ny rehetra rehetra kozy anie manaiky anao hoy aho
Fantatro fa matoa tia nanaitra anao aho

Tsy fitaka tsy hanitsika aho fa handendeha hiakatra any
Haka volana isam-bolana omeko anao
Hiezaka, higezaka, miangavy aho
Aza enoina izay alika hitati-bolana any aminao

Tsy fitaka tsy hanitsika aho fa handendeha hiakatra any
Haka volana isam-bolana omeko anao
Hiezaka, higezaka, miangavy aho
Aza enoina izay alika hitati-bolana any aminao


Ewa ... Nahita mpifankatia aho fa ny antsika roa mpifankafia
Ewa ... Manaiky aho fa mandainga raha miraika amin'ilay raika a!
Ewa ... Ewa a!!! Voadiko tsy hivadika fa ho vadiko mandrakizay
Ewa ...

Ref:
Tsongotsongon'adala mampanaiky ahy
Ilay bikabikanao malala no mahataraiky ahy
Ilay mombamomba anao tsy ikôzy aho sao mandainga
Tsy ikôty ny hafa intsony aho fa ny ahy ianao raika

Tsongotsongon'adala mampanaiky ahy
Ilay bikabikanao malala no mahataraiky ahy
Raha misy izay manalasala avia fa tsy handainga aho
Raha tsy anao irery aza manahy fa anao sy Neny aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Leéry
Vangy : 776
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : balzacLeGeek
Daty : 02/04/2019 09:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735