Hazavana (Leéry)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet 1:
Izay aho vao nahiratra
Nahita ny hazavanao namiratra
Namiratra ny kintako e!
Latsaka ho vitana ny sipako e!

Fa izy tsy be mpanana tsy ananako maro
Fa tiako, tiako tsy afangaro
"I Love you"

Ref:
Ny antsika fitia nankany
Raha "Love" aho naka anao
Nazoto aho nankany
Hita nafana
Izay nombako no hombanao
Izay hafa any ambany
Mpankahala etsy andaniny (Tsy misy fiafarany)

Izaho tsy hiteny hoe rahoviana
Fa io hoy aho izay tianao
Takio izay takianao
"I'll find" tsy maninona
Ravahako ho anao ny rova fa ianao
Ny Mpanjaka ho ahy, hazavana ho ahy

Couplet 2:
Efa nalaiko ho nofy (nofy)
Ilay fitoerana eo anilanao
Tamin'izay ilay rediredy

Fa na zovy (zovy)
Ny hiantso antso anao hoe "ity aho ...
.. avia fa, tia, andri aho" ankia lavo izy

Efa nandrendrika ahy ka tsy aiko hialana
Efa latsapa-paka fa tsy hoe fitia ivelany ihany
Manaiky aho fa aleo ataotsika teny hieràna
Jambena fa nahita ilay hazavanao iny aho
Tsy nahateny intsony aho fa dia variana aho
Aza misy ny andro hanadinoko anao (eh!)
Sanatria izany, sanatria izany

Fa ilay hazavana iny ihany
Solon'ilay haizina be fahiny a
Aza misy ny andro hanadinoko anao (eh!)
Sanatria izany, sanatria izany

Ref x 3

- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -

Leéry - HAZAVANA
Studio Nel Sound - Studio
Mix / mastering : Titan Randriamasindrazana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Leéry
Vangy : 604
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : balzacLeGeek
Daty : 18/02/2021 17:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732