NY ANDRIAMANITRO (KTKT (Kristiana Tanora Katedraly Toliara))

Inoako Lay ray zay mpamorona.
Inoako Lay zanaka namonjy ny olona.
Inoako ny Fanahy zay mpanamasina tokoa
mitari-dàlana, manintsy ho amin'ny soa.

Inoako ny TELO izay IRAY
Inoako fa VELONA ar koa MANDRAKIZAY
tsy miovaova koa fa ny hatrizay ihany no anio
ary mbola IZY ihany koa ny ho mandrakizay
tononkira.serasera.org
Ny Andriamanitro tsy manampaharoa
Ny Andriamanitro velona tokoa (ô i e e e!!!)
Ny Andriamanitro mpiahy, mpanasoa
Ny Andriamanitro FITIAVANA.

Tsy mba manavak'IZY miahy zao rehetra izao
na ratsy na tsara asiany soa satria voahariny avokoa
Tena mamaly soa hatramin'ny taranaka mifandimby IZY
raha toa atahoranao am-po tokoa.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : KTKT (Kristiana Tanora Katedraly Toliara)
Mpamaky : 970
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mniriko
Tamin'ny : 06/05/2016 10:47:36
ID : 8501

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo