VONJEO NY TANINAY (KLARYS)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ny taninay ry Tompo o mba vonjeo
ity nosindrazanay Jesosy o mba jereo
ny firenenay ry Tompo o amindrao fo
ny malagasy vonjeo fa very tokoa

2-Ny taninay ry Tompo o mba vonjeo
ity nosindrazanay Jesosy o mba jereo
ny firenenay ry Tompo o amindrao fo
ny malagasy vonjeo fa very tokoa

3- Fa mahantra izahay ety an-tany
ka mangataka aminao ry Ray Mpahary
mba vonjeo ny fanahinay
fa aza avela hijaly mandrakizay

4- Enga anie ka ho tonga ny fanjakanao
ka hanjaka ny fifohazam-panahy
midina ianao Fanahy Masina o
hampibebaka ity nosinay

5-Ny taninay ry Tompo o mba vonjeo
ity nosindrazanay Jesosy o mba jereo
ny firenenay ry Tompo o amindrao fo
ny malagasy vonjeo fa very tokoa

6- ifonako aminao ireo malagasy
ifonako aminao ireo manam-pahefana
mifona aminao tsy mendrika izahay
o mamindra fo vonjeo ny taninao

7- Ny fo vatonay ry Tompo o havaozy
ny toetra ratsy Jesoa o mba diovy
mba ovao izahay ho tonga zanakao
ny fatoranay ry Tompo o mbà vahao

8- Ny taninay ry Tompo o mba vonjeo
ity nosindrazanay Jesosy o mba jereo
ny firenenay ry Tompo o amindrao fo
ny malagasy vonjeo fa very tokoa
koa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KLARYS
Vangy : 5437
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lemenakely
Daty : 21/06/2006 11:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8325