Andriamanitra mahery (KLARYS)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra Mahery (Klarys)
-uploaded by Soadety & Akama_Mivazo-
Andriamanitra Mahery Andriamanitra Tsitoha
Andriamanitra Fitiavana , be famindram-po
Andriamanitra Mahagaga, mahay ny zavatra rehetra
Manasitrana ny aretina, mamaha olana
Izany no Andriamanitro , Andriamanitra Tompo
Andriamanitra Velona fa tsy mba maty koa
----
Jehovah Ray, Jesosy Kristy, Fanahy Masina
Izany no Anarany
Anarana Mahery, Anara-Mahagaga
Anara-manam-pahefana
No Anaran’ny Andrimanitro
Haleloia (2) Dera laza no asandratro
Ho Anao ry Andrimanatro
*****
Raha mandray Azy ianao izao anio izao
Dia tsy hanenina fa ho tsapanao tokoa
Andrimanitra Mahery no miaraka aminao
Hiasa aminao Izy hitahy ny fiainanao
----
Jehovah Ray, Jesosy Kristy, Fanahy Masina
Izany no Anarany
Anarana Mahery, Anara-Mahagaga
Anara-manam-pahefana
No Anaran’ny Andrimanitro
Haleloia (2) Dera laza no asandratro
Ho Anao ry Andrimanatro
Dera laza no asandratro
Ho Anao ry Andrimanatro
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KLARYS
Vangy : 735
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : kihika
Daty : 06/12/2021 12:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712