Dieny mbola velona (Julien Rassmann)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dieny mbola velona

Maty lohataona ve vao fonosina valovitrana ?
Rovi-damba ririnina, tsy nomena tapan-jiafotsy !
Ny taolana mbola ho rava, ny nofo dia mbola hihintsana.
Velona, tsy olom-pantatra ve ! Ka maty vao Ramalala ?

Maty fararano ve, vao totoina ny vary rojo ?
Tapa-kibo fahavaratra roy, tsy tsipazana fotsim-bary ?
Ny olona tsy mitovy anie, ny hevi-tsy mifanojo.
Ny latsalatsan-kavana roy, mavesatra maharary.

Karazana tany avy aiza, no mbola itsangananao ?
Tsarovy fa n'aiza n'aiza, mpivahiny 'zao isika izao.
Novolaina fa tamin'ny tany, nizaraina ny fofon'aina.
Raha mivadika, mbola ho tany, ny lena dia mbola ho maina.

Ny lamban'ny fitiavana roy, no manendrika k'itafio
Fa ny landy izay tsara tenona, ao am-pasana, tsy madio.
Lambamena roa sosona, tsy mahasolo ny adidy tsy efa.
Tsarovy ity androm-piainanao fa masoandro mirefarefa.

Karazana tany avy aiza, no mbola itsangananao ?
Tsarovy fa n'aiza n'aiza, mpivahiny 'zao isika izao.
Novolaina fa tamin'ny tany, nizaraina ny fofon'aina.
Raha mivadika, mbola ho tany, ny lena dia mbola ho maina.

"Dieny mbola velona" Julien Rassmann
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/julien-rassmann/dieny-mbola-velona
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Julien Rassmann
Vangy : 152
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Kalofahiny
Daty : 09/11/2022 16:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0731