FITIA MANADALA (JM RAMBAO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nisy olona nitovy taminao
Ny endriny manontolo toy ny anao
Na bika na famindra
Fijery na fiteny
Tena mitovy sy sahala ka nanadala ahy
Nanadala izato foko nanadala ahy ka tsaroiko
Namoha indray ny fitiavako hatrizay oh oh oh

Namerina ato antsaiko ny momba anao
Ka tsapako ary tsinjoko fa mbola ao
Mbola velona ato am-poko
Ilay fitiavana nolalovako
Nanadala izato foko mbola tsaroiko

Ary izaho toa adala toa revo tsy mahalala
Hay moa ianao tsy ahy intsony
Efa an'iny olona iny oh oh oh

Nisy olona nitovy...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : JM RAMBAO
Vangy : 3247
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : rajy
Daty : 14/10/2009 20:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2459