Malagasy tara (Ji'admis)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny gasy dia hita mijaly le fadiranovana me mahantra andro aman'alina
Porofon'izany mba jereo nge ny tanàna maloton'Andranomanalina
Vaky ny dal, mitobaka eran'ny tanàna ny fako
Insecurité @ alina, @ 8 no mody elah d'efa voalako
Tsy faly anakiana f'eto atanàna tena be ny olana
Be ny mpangarona pôsy,psam, sy ny mpanolana
Nofinofy ririnina raha gasikara no hisy metro
Diniho fa ny ambotaka etsy sy eroa am'zao me trop
Resaka matotra fa tsy blao, lalana ratsy am'zao no vaovao
Mpamboly mijaly le mampiaka-bary
Mpitondra zay tonga ray toa be kabary ih!
Fanjakana am'zao vao tsisitsisy vola de manera tany
Madagasikara efa faha 5 mahantra manera-tany
Mpangataka moa dia eny @ sisin-dalana no midOdO
Me betsaka loatra ka manomboka tsy arak'i pedrO
Be ny mikolay, rehefa traboina omena trano lay
Tena tsy milay, ny fikanareo manao alatsa fay

Ref (x2): Ny malagasy mahantra mitady 'lay fiovana
Me ratsy le fiainana eto atanàna,mitady toa tsy ahatamana
Ny ambany ihany, ny ambony ambony hatrany
Ny mpitondra fanjakana manaonao fahatany

Ny adim-piainana efa hita hoe mafy ih!teo foana nefa za nanohatra
Ny Ray sy Reny koa loh tena niafy ih!hitsinjovany ny zanany ohatra
Kanefa matetika raha mba efa hikasa hanatsaratsara le farim-piainana
Tsy mahita fomba efficace, fa zay atao rehetra itarainana
Nohon'ny tsy fanana asa A!
Ka miangavy ary koa manasa A!
'Reo mpitondra fanjakana
Ny Malagasy anaty fahantrana
Ka mba mila le fihantrana
Mba ho afaka ankafy hatrany
Le hoe fiainana mamy
Tena tiako izao ny ao am-bilany ra toa ka mba tsy ho feno anamamy
Nefa 'zahay aza omena hena, fa reo Malagasy mihenahena
Omeo antom-pivelomana izy,f'aza avela ho tojo faharesena
Aoka izay ny adilahy pOlitika sy tatasika
Fa zahay mila foto-drafitr'asa vita A!
Raha mahavita adidy hoarahabaiko
Dia mba araho ihany hoa raha baiko
Avy @ Malagasy fa tsy any ivelany,le krizy asio fahataperany
Fa ny vahoaka efa tsitany intsony izay hoatokona eo ambony fataperany
Matoa 'lay fandrosoana miraikitra
Le mpitondra koa no tsy mahavita ny andraikitra

Ref (x2): . . . . . . . . . . . . .

Lazaiko aminao hoe manomboka anio dia mba raiso ny adidy tandrifin'ny tena
Dia zao no tadidio hoe miankina @ tsirairay anie ny ho avin'ity firenena
Za tsy hoe teknisianina,fa tsika tokony hisaina
Hoe ny gasy matoa tsy tafarina dia ilay toe-tsaina no tokony hovaina
Satria, tsika raha mbola tsy tafa, tsy ny filoha ihany no manao erreur
Fa misy ataon'ny vola sOlafa, reo Malagasy tady hivadika hOrreur
Tia tia kely dia manao kolikoly, na anaty birao io na any an-tsekoly
Nefa tsy kobony fa mampahantra io, ka miangavy aho ajanony
Reo lalàna asio hajany ihany
F'aza ahondrana ry reto ny harem-pirenena, fa tena mampihena ny toe-karena
Ka tsy azoko ekena! F'aleo mba ny ho avin'ireto taranaka aloha no jerena
Manaova asa soa,mandraisa andraikitra,esory ao an-doha le hanao assassin
Tsy mifidy saranga io na ambony na ambany na lehibe na kely na bandy na tsin
Ataovy hita taratra le firaisankina
Fa aza asina fanaratsina
Fa tsy aleo ve mifanara-tsaina
Raha zay no ataontsika dia samy ho tafita,ary ny ho avin'ny dago tsy misy ampanahy
Raiso le kôzy dia samia mandinika ho an'ny rehetra izay manam-panahy

Ref (x2): . . . . . . . . . . . . . .
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ji'admis
Vangy : 1436
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Jiaro
Daty : 02/08/2016 11:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723