Viavy ny Gasikara (Jaky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na fotsy, na zarazara,
Na manga na ngalingaly,
Viavin’i Gasikara,
Maro tsara valy e!
Eny an-tampon-tanàna,
Eny na ambanivolo
Izay jerena manadala,
Manja be daholo.

Miakanjo lamba zandiana,
Misikina lamba oany
Na inona fitafiana,
Dia manendrika azy hatrany.
Itsy mamaha volo,
Izatsy tsara taly,
Reh’fa samy voakolokolo,
Manja jiaby valy e!

Na mitsiky malefaka,
Na manao farahehy!
Ireo endrika meva zalahy
Feno hatsaran-tarehy !
Tazano sy diniho tsara,
Tsy an-trano tsy an-kianja,
Viavin’ity Gasikara!!

*Tsy mba lany manja ô!
Tiako fa manja e! (x2)

Na ny amoron-tsiraka,
Na ny ankoatr'izany,
Dia samy mamirapiratra,
Kanto aok’izany.
Tsipy sandry sy dihy soroka,
Malesa sy ny salegy
Basesa mitapôlaka,
Samy mampandrevy.

Ny tongotra toa mijoro,
Jereo izato andilana
Mihararetra toa zozoro,
Mihilangilana
Mody tsy mijery,
Nony dila, manara-maso,
Fa toa manao fangalam-piery,
Te-hatao hoe: andraso!.

Hitako o!

Na mitsiky malefaka,
Na manao farahehy!
Ireo endrika meva zalahy
Feno hatsaran-tarehy !
Tazano sy diniho tsara,
Tsy an-trano tsy an-kianja,
Viavin’ity Gasikara!!

*Tsy mba lany manja ô!
Tiako fa manja e! (x2)

(Tiako be!)
Manja ô!ôh! (Aoeh!)
Manja e! (Eih!eh!)
Manja ô!
Tiako fa manja e!, (Yeah!)
....
*Viavin'i Gasikara tsy mba lany manja (X4)

Na mitsiky malefaka,
Na manao farahehy!
Ireo endrika meva zalahy
Feno hatsaran-tarehy !
Tazano sy diniho tsara,
Tsy an-trano tsy an-kianja,
Viavin’ity Gasikara!!

Tsy mba lany manja ô!
Tiako fa manja e!

Tiako fa manja ô! (Tiako be!)
Tiako manja e!eh!

(Aoeh!)
Manja ô!ôh! (Tiako be!)
Tiako manja e!eh!
(Aoeh!)
Tiako fa manja e!eh!
Tiako fa manja ô!

Mody tsy mijery!..
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Jaky
Hits : 288
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 20/06/2025 03:25
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0703