Imanoela (IraKo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay kintana iny nahavariana ahy e!
Nitari-dalana, hitondra ho any amin'ilay Mpanjaka
Fa Izy hono, teraka, Jesôsy mpanjakanay, Imanoela!!!

Izao rehetra izao manaiky Anao o!
Ka hiankohaka eo anatrehanao r'ilay Mesia!
Ilay zazakely teraka tao Betlehema an'i Jodia

Dera, ho Azy ny voninahitra,
Hankalazaina maneran-tany e! ee!!
Fiderana no, asandratray ho Azy, Imanoela!

Ref:
Diboka ny hafaliana ny fonay Jesôsy ô!
Faly izahay Tompo ô, fa manana Anao e!
Dia, arahabaina Ianao,
Arahabaina Ianao, Jesôsy ô! ôô!!

Ianao ilay Mpamonjy izay teraka ho anay anio
Voninahitra, any amin'ny avo indrindra e!
Dia, arahabaina Ianao,
Arahabaina Ianao, Imanoela!
....
Ilay anarana masina ambony indrindra e! eh!
Ny lohalika, handohalika eo anolohanao!
Ka na ny ety an-tany hatrany an-danitra any, hihoby Anao!!!

Dera, ho Azy ny voninahitra,
Hankalazaina maneran-tany e! ee!!!
Fiderana no, hasandratray ho Azy, Imanoela!

Ref:
Diboka ny hafaliana ny fonay Jesôsy ô!
Faly izahay Tompo ô, fa manana Anao e!
Dia, arahabaina Ianao,
Arahabaina Ianao, Jesôsy ô! ôô!!

Ianao ilay Mpamonjy izay teraka ho anay anio
Voninahitra, any amin'ny avo indrindra e!
Dia, arahabaina Ianao,
Arahabaina Ianao, Imanoela!
....
Tompon'ny tompo!, Tompon'ny tompo!
Mpanjakan'ny mpanjaka e!, hasandratray e!!
Fa Izy hono, teraka, Jesôsy mpanjakanay, Imanoela!

Tompon'ny tompo!
Mpanjakan'ny mpanjaka e!, hasandratray e!!

Ref:
*Diboka ny hafaliana ny fonay Jesôsy ô!
Faly izahay Tompo ô, fa manana Anao e!
Dia, arahabaina Ianao,
Arahabaina Ianao, Jesôsy ô! ôô!!

Ianao ilay Mpamonjy izay teraka ho anay anio
Voninahitra, any amin'ny avo indrindra e!
Dia, arahabaina Ianao,
Arahabaina Ianao, Imanoela!
(X2)

Dia, arahabaina Ianao,
Arahabaina Ianao, Imanoela!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : IraKo
Vangy : 575
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 18/10/2022 18:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1273