You are here: home > Tononkira > Hery Rabenjarison

ARAHO FINOANA (Hery Rabenjarison)

Aza mihevitra mihitsy ianao
Fa ianao de tsy misy mpandre
Araho finoana ny vavaka atao
Fa tonga ao an-danitra

Izay atao mandamoka avokoa
Mody adala ireo nanaovan-tsoa
Misy ireo namana tsy mahafoy
Efa mialangalana

Ref: Fa fisedrana ihany izao
       Dia matokia, dia matokia
       Fa ny Tompo anie tsy mandao
       Mbola ho avy Izy
tononkira.serasera.org      Mbola hamangy anao Izy
       Hiditra ao an-tranokelinao ao
  ;,; Rehefa tonga izay
      ho faly tokoa ny fonao ;,;

Mamolavola anie ny Tsitoha
Sao sanatria ka ho very ianao
F'izao rehetra tazanina izao
Dia tsy maharitra

Maro ireo havana efa nandao
F'izay voavonjy ao an-danitra
Indray andro any aho raha mba tonga ao
Dia hihaona am-pinaritra

Ref ....

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Hery Rabenjarison
Mpamaky : 1320
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Gasytsar
Tamin'ny : 23/08/2014 17:13:42
ID : 6675

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo