You are here: home > Tononkira > Hery Rabenjarison

Andri-rahona (Hery Rabenjarison)

Mampivarahontsana tokoa
tokoa izao andro izao
ranomasina eo aloha
avy ao aorinako Farao
inona no hatao
aiza no haleha
very hevitra eto amoron-drano be

Tsy misy azo atao fa asandrato ny finoana
ny toy izao indrindra dia Jesosy no antsoina
ilay nampitsahatra ny tafiotra sy ny onja
hatrizay mandrakizay dia tsy miova

Izy efa naharesy izao tontolo izao
Tompo lehibe, Tompo lehibe
amin'izao ady sarotra sedraina izao
antsoy, antsoy f'Izy hiaro anao

Matokia fa efa eo ny andri-rahona ny atoandro
andri-afo ihany koa nony alina ny andro
ny kapitenintsika efa mandeha eo anoloana
matokia fa aza manana ahiahy

Tsy misy tsy hainy atao fa halaviro ny hakiviana
ny olona mandao anao raha tojo fahoriana
ny teninao no heriko amin'ny ady lehibe
afa-tahotra aho ka izao mihira Tsiky dia ampyhoe

Matokia fa efa eo ny andri-rahona ny atoandro
andri-afo ihany koa nony alina ny andro
ny kapitenintsika efa mandeha eo anoloana
matokia fa aza manana ahiahy

Matokia fa efa eo ny andri-rahona ny atoandro
andri-afo ihany koa nony alina ny andro
ny kapitenintsika efa mandeha eo anoloana
matokia fa aza manana ahiahy

Izy efa naharesy izao tontolo izao
Tompo lehibe, Tompo lehibe
amin'izao ady sarotra sedraina izao
antsoy, antsoy f'Izy hiaro anao

Matokia fa efa eo ny andri-rahona ny atoandro
andri-afo ihany koa nony alina ny andro
ny kapitenintsika efa mandeha eo anoloana
matokia fa aza manana ahiahy

Matokia fa efa eo ny andri-rahona ny atoandro
andri-afo ihany koa nony alina ny andro
ny kapitenintsika efa mandeha eo anoloana
matokia fa aza manana ahiahy

matokia e e e
matoki i i a

Mpihira : Hery Rabenjarison
Mpamaky : 95
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : naina.ifh73
Tamin'ny : 18/06/2022 06:19:28
ID : 14310

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo