Vavaka (herilalaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
VAVAKA
Na miadana aza aho
eo amin\\’ny fiainako
dia tsapako fa tsy ampy anefa izany
na ho azoko izay zavatra rehetra ilaiko
tsy mahasambatra ahy raha tsy JESOA no mitantana ahy
na sarotra aza ny fiainana eto an-tany
tsy kivy fa matoky ny herinao
satria mino aho fa raha ianao no momba ahy
dia tsy hovery aho n\\’aiza n\\’aiza alehako
REF:2fois
Jeso Tompo o ny vavakay Aminao
Dia mangataka famelana hatrany hatrany
Satria tsapanay fa meloka izahay ka mba raiso re fa mba te hiavana aminao

na sarotra aza ny lalana haleha
toky foana no hasetriko satria mino aho fa raha ianao no miaro ahy dia hotafitako ny lalana aleha
aoka ianao hitantana tsy handao ka hiaro sy hamojy anay
mba tsy ho azon\\’ireo fakam-panahy izahay ondrinao eo amin\\’ny fiainana

Mpihira: Herilalaina Mpamorona: Haja Mozika : Njato
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : herilalaina
Vangy : 2240
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Haja
Daty : 07/12/2004 09:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2401