TiaNy foana ianao (HARIMALALA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Na maloto ahoana aza ny akanjonao
Na lazain'ny olona fa hoe ratsy ianao
Na maro ny mihevitra anao hoe olom-poana
Havako ô mitraka fa Jesoa tia anao foana

Ref: Na maro aza ireo manambany anao
       Na maro aza ireo manaratsy anao
       Na tsy vitsy aza ireo tsy tia anao
       Jesoa anie eo foana dia tsarovy izao
       Hoe : tiaNy foana ianao

2)Mijoro amin'ny fahamarinana ve ianao
Tsy mangalatra ary koa tsy manao kolikoly
Hany ka ankahalaina fa hoe tsy ampahafirin'ny mpivavaka
Mitrakà havako ô fa eo foana ilay tsy mba manavaka
Ref: Na maro aza ireo manambany anao
       Na maro aza ireo manaratsy anao
       Na tsy vitsy aza ireo tsy tia anao
       Jesoa anie eo foana dia tsarovy izao
       Hoe : tiaNy foana ianao
soaaa..Jesoa anie eo foana (eee)
Dia tsarovy izao Hoe : tiaNy foana ianao
soaaa..Jesoa anie eo foana (eee)
Dia tsarovy izao Hoe : tiaNy foana ianao

Harimalala"TiaNy Foana ianao"
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : HARIMALALA
Visites : 199
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Mharck
Date : 19/09/2025 13:41
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0689