Lavitra anao (Hanitra Ranaivo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lavitra anao anie aho ry tianaKa nofy sisa no iarahako,
No ahafahako mahita anao
Satria ianao voafehin’ny fiainana
Ka tsy navelany hiaina fitia
Satria ankizy hoy izy
(in-2)
Nefa izaho sy ianao tsy mahandry taona maro
Fa nigoka mamy toa tantely
Avelao hialona ireo namana
Avelao ho tezitra ireo havana
Na lavitra anefa tsy mampaninona ahy
Satria ny fitia no nahatonga, no nanova izany
Tsy hisy na rindrina na setra na sampona
Hanohitra ny diany
Anilanao, akaikinao irery
(in-2)
Ka hibitsika hoa anao ny fitiavako anao
Ka hampietsi-po anao irery
Koa miventsoa toy izany
Dia ho eo anilanao ilay tianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Hanitra RanaivoVangy : 5514
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 11/09/2002 15:42