Tena fantatrao ve Kristy Andriamanitra ? (Groupe Mass)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiverenana :
Tena fantatrao ve Kristy Andriamanitra ?
ilay hafa noho ny hafa nefa tonga miaraka aminao
Tena fantatrao ve Kristy eo anivonao ?
Andriamanitra tsy mba lavitra fa monina ao am-ponao


Etsy ange mba jereo ny nahatongavany tetý
Tsisy sento na toreo, sitrapo takalona fitia
Andriamanitra izay nahary anao nefa tonga nofo toa anao

Etsy ange mba jereo ny fiainany ny fitia
Fa tsy fitaka mankaleo na sangodina mampikodia
Fa fitiavana tsy hay tafarina mampiverina ireo zay mania

Etsy ange mba jereo ilay Mpanjakan'ny Mpanjaka
Fa niaina toa mpanompo, tsisy volamena, tsisy lapa
Fa ny hany Voninahiny dia ny hahavonjy anao

Etsy ange mba jereo ny fitiavany ny ory
Nositraniny, nofahanany f'ireo no sitraky ny fony
Nitoriany fahasoavana, fahasoavana mandrakizay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Mass
Vangy : 908
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 18/02/2019 12:39
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116