TSY DISO ANJARA (GM3)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zay manara-dia anao Jesosy e, tsy mba diso lalana e
Zay miankina aminao mandresy e, manam-piadanana e

Tsy diso anjara amin’ny zava-tsoa,
fa manana anao Raiko mikarakara, tsy diso anjara e
ataonao miadana anie izany fo
eo anilanao Tompoko mpiandry tsara, tsy diso anjara

ny sandrinao mahery, no hiarovanao ahy
Ny tanam-pitiavanao no hitantananao

Tsy diso anjara amin’ny zava-tsoa,
fa manana anao Raiko mikarakara, tsy diso anjara e
ataonao miadana anie izany fo
eo anilanao Tompoko mpiandry tsara, tsy diso anjara
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GM3
Vangy : 473
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : aurelien rakotonirina
Daty : 06/09/2022 09:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728