Tsy misy asoloko anao (GAETAM)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na dia tambazana aza aho
Tsy misy asoloko anao,
Ho tanako hatrany Ianao ry Jeso,
N’aiza n’aiza hisy ahy
Tsy hisy intsony hampanahy

Na zovy na zovy hisoloky
Ianao ry Jesoa no efa toky
Hiaro ahy tsy ho voarebireby
Mba tsy ho very, tsy hikoa
Dia tsy hirodana tokoa

Fiverenana:
Tsisy hampiova ahy
Tsisy hampihemotra ahy
Tsisy hampisaraka ahy
Na ny rendrarendra re, eny na dia harem-be
Tsisy asoloko Anao
Na ny fankatoavana é!
Ireo sampy lehibe
Tsy asoloko Anao
Tsy hiala aminao aho ry Jesoa tia
Fa ho Anao mandrakizay doria
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GAETAM
Vangy : 4867
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 12/08/2003 15:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723