Ianao 'Lay Fanaperako (FJM 1211)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ianao 'Lay masoandron'ny fiainako
Fanantenana ho ahy anatin'ny adiko
Mamelombelona ahy Tompo ô ny fisianao
Jesosy ô! harenako Ianao
Ianao 'Lay namana tena fiantsoko
Famborahako 'reo alaheloko
Manda fiarovana ho ahy, Heriko fialofako
Andry hiankinan'ny hoaviko

isan'andininy
Jeso! ho any amin'iza moa aho
Jeso very aho raha afoinao
Na hiampita hatraiza aho
Ts'isy hahasolo Anao
Ianao 'Lay Fanaperako

2- Resy lahatra tanteraka ny fo
Tsy hiala Aminao, na inona manjo
Fa hifikitra mafy voatahiry an'tananao
Handroso amin'ny fanompoana
Tsy hanao toy ireo mpianatrao
Rehefa sendra ady indreo nandao Anao
Fa Ianao irery anie Jeso no hany manana
Ilay fiainana mandrakizay ho ahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FJM 1211
Vangy : 8
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Harisinah
Daty : 29/01/2026 07:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0744