MITSANGANA MIHAZAVA (FiFiL Toby Ankaramalaza)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Mitsangana ry Ziona ka Mihazavà
Areheto ny Finoana ary Matanjaha
Mitsangana ry Ziona ka Mihazavà
Mijoroa tsy hirona, ary Mahefa

2 Fitiavana no jiro manazava anao
Jeso Tompo no fanilo mialoha anao
Aizim_pito dia hisava tsy aharitra
Fa hanjaka ny mazava soa finaritra

3 Ady maro no sedraina efa hitanao
Asa mafy sy taraina hiaretanao
Nefa ao Jeso tia ilay Mpanjakanao
Mitsangana matokia Izy momba anao

4 Dia tano ny Finoana ho ampingaao
Tanteraho ny fanompoana niantsoana anao
Fahavalo manesy dia hangiana hatreo
Andriamanitra Mpandresy Izy no jereo

Mitsangana ry Ziona ,ka mihazavà
Areheto ny Finoana ary mahefà
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FiFiL Toby Ankaramalaza
Vangy : 805
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jeremiar1
Daty : 01/10/2021 05:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742