Dia ahoana ary? (Feu Follet)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nomenao azy, izay nilainy
Nahiliny mafy modiny hoe tsy ainy
Efa leo ny nizara fitiavana
Izay tsy ilainy intsony f'izy hono efa manana
Ka sarotr'aminy ny hahazo sy handray anao
Aleo hono any e
Toy ny ranomasina eo anelan-tany
Akaiky lavitra tsy ho tafahoana izany
Voro-manidina no hitatitra makany
Raha ho tonga any e

Fa mbola ho foiko ho anao ny ampitsiko
Satria efa nomeko anao ny omaliko
Efa betsaka ny zavatra vitako fa
Betsaka koa nefa no mbola homaniko

Efa ainao aho fa, vonona ny hanaraka anao toy ny aloka
Tononkalo aloha no vitako fa aiko fa tsy ampy raha izay tononkaloko

Dia aleoko jamba, toy izay ahitanao hitantana tànana hafa
Dia aleoko marenina, toy izay hahaeno hiantso anarana hafa
Horovitiko daoly ny pejin'izay ho tantaranao hafa dia
Ho arodako izao tontolo izao raha iny ianao hanorona hasambarana hafa

Nomenao azy, izay nilainy
Nahiliny mafy modiny hoe tsy ainy
Efa leo ny nizara fitiavana
Izay tsy ilainy intsony f'izy hono efa manana
Ka sarotr'azy ny hahazo sy handray anao
Aleo hono any e
Toy ny ranomasina eo anelan-tany
Akaiky lavitra tsy ho tafahoana izany
Voro-manidina no hitatitra makany
Raha ho tonga any e

Dia ahoana ary?
Hadaboka ve?
Hifamaly amin'ny teny sy hifampidaroka ve?
Ny hasambarana ho simbaina tampoka ve?
Ny masoandro atakalo andro maloka ve?

Fa tsy afaka miaritra ve?
Satria ilay mifankatia lasa sarotra be?
Samy lavo isika fa tsy afaka hiatrika ve?

Dia aona ary?
Hisaraka ve?

Dia aona ary?
Hisaraka ve?

Dia aona ary?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feu Follet
Vangy : 2463
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : kolokoloina
Daty : 20/02/2022 12:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0767