Anjely (Feu Follet)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Marary azy rehefa maratra ialahy
Fa mba hahasoa an'ialahy dia masiaka izy
Mafy ny ady hatrehany fa mba tsy hitaintainan'ialahy dia mitsiky izy
Ho an'ny fahasambaran'ialahy vonona izy
Hamadibadika ny lanitra sy ny tany
Mba ho tsapan'ialahy hoe tsy voatery anaty teny
No hanehoina izany fitiavana izany
Sarotra ny ady rehefa miady irery
Mafy ny fiainana fa notolominy
Raha hanontaniana azy ny fahasambarana dia...
Ny anaran'ialahy hono no hotononiny
Vitsy ny fotoana iarahanareo
Fa matoa izay izy tsy eo dia mitady
Sarotra ny mipetraka eo amin'ny toerany
Satria sady neny izy no dada...
Satria ny fitia adala
Nahatoky izy ka jamba
Nolaozan'ny rain'ialahy izy ene!
Mety mbola tsy vonona lery angamba
Narary ny fony
Fa ilay sombiny tao an-kibony no hainy fa hanasitrana azy
Tsy mbola hitan'ny masony akory ialahy tamin'izany
Dia efa tiany sahady
Dia aleo hono handeha izay lasa
Aleo handositra ny adidiny
Aleo hiara-ts'hita amin'ny any ny voady rehetra nataony
Raha toa ireny ka tsy tadidiny
Tsy afaka hanenjika izay mitsaoka izy
Aleo ny heritreriny no hanenjika azy
Fa raha olona hanome fitiavana azy
Ampy azy ilay nivoaka avy ao an-kibony

Nareniny ho an'ialahy ny lapan'ny fony
Na dia efa nisy nandrava aza
Nofafany daholo ny fahatsiarovana rehetra
Izay efa nampijaly lava azy
Tsy norarahiany intsony ny latsan'ny fiarahamonina
Izay saika nampivarilavo azy
Satria eny an-tanany efa misy anjely
Izay natolotry ny avo azy

Nareniny ho an'ialahy ny lapan'ny fony
Na dia efa nisy nandrava aza
Nofafany daholo ny fahatsiarovana rehetra
Izay efa nampijaly lava azy
Tsy norarahiany intsony ny latsan'ny fiarahamonina
Izay saika nampivarilavo azy
Satria eny an-tanany efa misy anjely
Izay natolotry ny avo azy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feu Follet
Vangy : 932
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rayame27
Daty : 25/03/2022 11:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4985