FIDERANA HATRANY (FATAH Five (5))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Izaho Jeso dia manaiky ny fitiavanao e
Fa na dia mpanota aza aho, mbola novonjenao
Tena nahafoinao mihintsy anie ny ainao e
Mba hanavotanao izao tontolo izao

Resy lahatra aho nohon'ny fitiavanao
Ka indro ateriko izao fiderana izao
Mb'hankasitraho re zay kely vitanay
Tsy anio ihany fa ho Mandrakizay

REFRAIN
Fiderana hatrany e , ny eto ambonin'ny tany
No asetrinay ny fitiavanao
Ka ho fifaliana tsy mety lany
Ny fiainanay rehefa mideranao


2. Ambarako hanako hiely eran-tany
Fa tsy misy toa Anao @zao tontolo izao
Ny seza fiandrihananao tsy mba hietry izany
Avo fipetraka ka Deraiko izao


A/C:Elie R , may 2020
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FATAH Five (5)
Vangy : 488
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : eliefanomezana4
Daty : 11/07/2020 09:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2439